Maro amin'ireo ankizivavy no tsy manana fahefa-mividy "serviette hygiéniques" ka mampiasa vorodamba ho solon'izany. Maro izy ireo no menatra hanasa sy hanahy izany lamba izany eny amin'ny masoandro. Ny fampiasana "serviettes hygiéniques" azo sasana dia anisan'ny vahaolana ho amin'izany eto Madagasikara.
Ny hetsika andrana notanterahin'ny Projet Jeune Leader dia naneho fa dia tena nampiasa izany "serviettes hygiéniques" azo sasana izany ny ankizivavy; tsy menatra ny hanasa sy hanahy izany am-pahibemaso ry zareo; ary nahatsiaro ho natoky tena kokoa mandritra ny fadimbolany. Voafetra ny fahafahan'ny vehivavy misitraka kojajoka fitandroana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ara-pahasalamana sy taka-bidy.
Tsy menatra intsony aho milaza amin'ny namako fa tonga fotoana satria efa manana "serviettes hygiéniques" azo sasana.
- Ankizivavy 16 taona nahazo "kit" mianatra eny amin'ny sekoly mpiaramiombonantoka amin'ny Projet Jeune Leader.

Misy karazany maro ireo "serviettes hygiéniques" azo sasana. i Days for Girls, izay fikambanana iraisam-pirenena sangany eo amin'io sehatra io, no nosafidian'ny Projet Jeune Leader hiaraha-miasa. Ny "serviette hygiénique" vokariny dia tsy mitaky fampiasana rano firy, mora maina, ahazoana aina tsara ny manao azy ary mora eken'ny mpisitraka avy amin'ny tontolo samihafa kokoa ny fampiasana azy. Mihoatra ny 1.500.000 ny isan'ny vehivavy nahazo tombontsoa tamin'ny asan'i Days for Girls tao amin'ny firenena 110 samy hafa.
Ny Projet Jeune Leader dia tsy mamokatra ny kit fa afaka manantona ny Days for girls Toliara raha toa ka hividy eto.