top of page

MOMBAMOMBA NY PROJET JEUNE LEADER

Ny programan'asan'ny Projet Jeune Leader dia mifantoka indrindra amin'ny fanabeazana momba ny fahaiza-mitarika sy fiainana maha-tanora eny an-tsekoly. Izany programa izany dia marolafy, feno fanavaozana, ary tanterahina eny amin'ny sekoly ambaratonga faharoa (CEG) eto Madagasikara. Izany dia haseho amin'ny fametrahana tanora (18 ka hatramin'ny 25 taona) tsara hofana sy tohana hiasa raikitra eny amin'ireo sekoly ambaratonga faharoa ka hampianatra ny programam-pampianarana maharitra herintaona momba ny fahaiza-mitarika sy fiainana maha-tanora. Rehefa tsy mampianatra ireo mpanabe ireo dia misahana ny fanomezana tolotra lehibe ho an'ny mpianatra: fanoloran-kevitra, fanoroana mpiasa na tobim-pahasalamana tokony atonina ary fandaharana ivelan'ny fampianarana izay sady mahafinaritra no manabe.

Tamin'ny taona 2016 koa no nanombohan'ny Projet Jeune Leader fandaharana fanampiny mahakasika ny fanabeazana momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Fadimbolana.info dia anisan'ireo vokatr'io asa io. Ireo loharanon-kevitra hita ao amin'ny Fadimbolana.info dia novolavolaina, nosedraina ary nampiasain'ny ekipan'ny Projet Jeune Leader.

 

Projet Jeune Leader dia manana finiavana hamolavola tahirinkevitra fanabeazana izay mahaliana sy mifanaraka amin'ny kolontsain'ireo mpisitraka ka miainga amin'ireo fikarohana sy asa maro nahitana fandraisana anjaran'ny rehetra notanterahina miaraka amin'ireo adolatsento, mpampianatra ary ray aman-dreny eny ifotony.

© 2022. Fadimbolana.info dia tranokala fanovozan-kevitra noforonin'ny Projet Jeune Leader ary notohanan'ny AmplifyChange sy ny Segal Family Foundation ara-bola.

  • email black
  • Facebook - Black Circle
  • LinkedIn - Black Circle
amplifychange-gold-logo.png
bottom of page