top of page
Tranokala...
VOADIKA AMIN'NY
TENY TELO
AHITANA VOTOATINY MORA TAKARINA
MAMPIVONDRONA NY MOMBA NY FAHADIOVANA MANDRITRA NY FADIMBOLANA REHETRA ETO MADAGASIKARA HO EO AMIN'NY TOERANA IRAY
Votoatiny...
MIFANARAKA AMIN'NY ZAVA-MISY MARINA
MITOMBONA ARA-KOLONTSAINA
NOTSINJARAINA HIFANARAKA AMIN'NY VONDRON'OLONA TILIANA
Loharanon-kevitra...
AZO AMPIASAINA AVY HATRANY
MAMPANDRAY ANJARA NY REHETRA
EFA VOASEDRA

Fadimbolana.info dia
ivontoerana fanovozan-kevitra
momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana.
Ny faniriana amin'ireto loharanon-kevitra atolotra ireto, dia ny hanampiany ireo mpanabe sy fikambanana misy eto Madagasikara hampandroso ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana.
Misy lafiny maromaro ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana; eo ny fampahafantarana sy fanabeazana; eo koa ny kojakoja fisasana sy fitandroana ny fahadiovana rehefa tonga fotoana; ary farany eo ihany koa ny fisian'ny rafitra fidiovana tsara.
Mitaky ezaka avy amin'ny vehivavy sy ny ankizivavy izany, ary avy amin'ny ankizilahy sy ny lehilahy koa. Mitaky fandraisana anjara avy amin'ny tsirairay avy sy ny fiarahamonina iray manontolo ihany koa.
Raha zohina izany dia misy lafiny maro azo sy tokony iaingana hanatsarana ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana ary anisan'ireo afaka mandray anjara amin'izany IANAO.
Ireo fitaovana sy loharanon-kevitra atolotra eto amin'ity tranokala ity dia natao ho fototra hiaingana eo amin'ny asa tanterahina eny amin'ny fiarahamonina iasana ary hakàna aingam-panahy hampidirana ny fanabeazana momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana anaty programan'asa.
FIPETRAKY NY OLANA
Tsindrio izay lohahevitra mahaliana anao ahafantaranao bebe kokoa ny momba ireo olana sedrain'ny ankizivavy eo amin'ny sehatry ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana eto Madagasikara.
bottom of page