top of page

FOTOTRA

Ireo loharanon-kevitra rehetra atolotra eto amin'ity tranokala ity dia azo alaina sy ampiasaina amin'ny hetsika tsy itadiavam-bola. Fifaliana hatrany ny maharay ako momba ny fomba sy toerana nampiasana ireo loharanon-kevitra ireo. Izany no iangaviana antsika hampiasa ilay taratasy fenoina eo amin'ny pejin'ny loharanon-kevitra tsirairay avy, mba hanarahanay ny fivoaran-javatra.

Misy torolalàna sy soso-kevitra atolotra isaky ny loharanon-kevitra fa aza misalasala manavao izany mba hifanentana amin'ny sehatra sy olona iasanao. Iangaviana fotsiny isika hampahafantatra fa ny Projet Jeune Leader no namokatra ireo loharanon-kevitra ireo rehefa mizara izany amin'ny hafa.

FANAO MAHOMBY INDRINDRA

Amin'ny maha matihanina sy manam-pahalalàna anao dia voatendry tokoa ianao hampiasa sy hanavao ireto loharanon-kevitra ireto hifanentana amin'ny filana sy tontolo manokana iainan'ireo vondron'olona iasanao. Eo am-panaovana izany dia misy fepetra vitsivitsy tsara tadidiana:

Ekeo fa resaka manahirana ity idirana ity.

Ny firesahana fadimbolana dia tsy tokony hahamenatra na hahatsiravina na hahatezitra na oviana oviana. Indrisy anefa, mbola tsy tody amin'izany toerana izany isika. Ny asa notanterahin'ny Projet Jeune Leader teto amin'ity sehatra ity dia naneho fa mbola sokajiana anaty zava-pady ny fadimbolana eto Madagasikara. Raha sambany ianao no hiresaka fahadiovana mandritra ny fadimbolana amin'ny vondron'olona iray dia mila manao izay hisian'ny fifampatokisana eo aminareo aloha ianao vao manao izany, ary maka fotoana hanamoràna ny firesahana zavatra mahakasika ny tena manokana na mety hananosarotra. Makà fotoana sy mamelà toerana hisainan'ny olona, hizarany ny heviny momba ny zavatra noresahina ary hiadianareo hevitra. Mba hahazo aina kokoa ireo mpandray anjara dia mety azonao atao ny manasokajy azy anaty vondrona madinika kokoa arakaraka ny hoe lehilahy sa vehivavy izy ireo, na arakaraka ny sokajin-taona misy azy, na koa arakaraka ny fifankahalalany.

Ezaho hisy fifamalian'asa hatrany eo amin'ny atao rehetra.

Raha ny vokatry ny fikarohana no jerena (ary raha manaraka ny lojikan-javatra fotsiny) dia mora mandray sy mahatadidy fahalalàna kokoa ny mpianatra rehefa mandray anjara mavitrika amin'ny fianarana. Misy fahamarinany manokana io ambony io raha ny fanabeazana mikendry ny fiovan'ny fitondran-tena na fomba fihetsika no jerena. Ny ankamaroan'ny loharanon-kevitra atolotra ato dia natao ho ampiasaina anaty fifanakalozana, anisan'izany ny serasera amin'ny olon-dehibe. Misy soso-kevitra atolotra momba ny fanampiana fandaharana misy fifamalian'asa miaraka amin'ireo tahirinkevitra ireo.

Ny torohevitra ankapobeny dia:

  • tazomy ho vitsy ny mpiray vondrona amin'izay afaka mandray fitenenana ny rehetra

  • manomàna fanontaniana hiadian-kevitra sy hampieritreritra isaky ny fandaharana na loharanon-kevitra iray

  • fero ho kely araka izay azo atao ny fotoana andraisanao fitenenana (amin'ny maha-mpanentana/mpampianatra/mpanofana anao) ka ezaho ho an'ny mpandray anjara ny ankamaroan'ny fitenena

  • rehefa ao anaty efitra dia ialao ilay mijoro ery aloha ohatra ny any an-dakilasy, fa asaivo manao faribolana ireo mpandray anjara ary mipetraha miaraka aminy mba hisian'ny fitoviana sy hahazoan'ny rehetra aina.

Farany, misy "brise-glace" foana atolotra mba hampahazo aina ny iray vondrona sy hampiakatra angovo. Tsy mila zavatra sarotra io "brise-glace" io fa ampy ny fandefasana mozika mihetsiketsika na fanokanana fotoana kely tsy voalamina handihizana.

DIA AVY EO?

Aza mihanina amin'izany! Anisan'ireo loharanon-kevitra tianay indrindra sy mahomby indrindra no ho hitanao eto amin'ity tranokala ity. Izy ireny anefa dia natao ho lafika hiaingana fotsiny ihany. Aza misalasala ny hanambatra azy ireo amin'ny loharanon-kevitra tovozina amin'ireo asa tanterahinao, na koa mamorona ny anao manokana. Mifaneraserà amin'ireo vondron'olona iarahanao miasa mba hampivelatra sy handalina bebe kokoa ny fifampiresahana manodidina ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana. Miaraha miasa amin'ny mpiaramiombonantoka hafa ahafahanao mizara hevitra sy mampiditra ny fanabeazana momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana anatin'ny programan'asanao.

FARANY...

Fifaliana lehibe ho anay ny maharay tamberina sy soso-kevitra avy aminao.

Aza misalasala mampiasa ity taratasy fenoina ity hampahafantarana anay ny fomba nampiasanao ny loharanon-kevitra sy ny fahombiazany na tsia; raha misy karazana loharanon-kevitra mahaliana anao ny hahita azy misimisy kokoa; ary/raha nisy loharanon-kevitra noforoninao manokana ka tianao zaraina aminay. Ho fampivelarana sy fanamafisana orina an'ny Fadimbolana.info koa dia irinay ny hahafantatra ireo sakana nosedrainao tamin'ny fampidirana ny fanabeazana momba ny fahadiovana mandritra ny fadimbolana tamin'ny programan'asanao ary ny fanohanana mety ho ilainao handresena azy ireo.

Merci! Message envoyé.

© 2022. Fadimbolana.info dia tranokala fanovozan-kevitra noforonin'ny Projet Jeune Leader ary notohanan'ny AmplifyChange sy ny Segal Family Foundation ara-bola.

  • email black
  • Facebook - Black Circle
  • LinkedIn - Black Circle
amplifychange-gold-logo.png
bottom of page